Hankany amin'ny vontoatiny

Kifafa

Avy amin'i Wikipedia

Ny kifafa dia fitaovana fanadiovana hanilihana na hanesorana ny vovoka sy ny loto sy fako amin'ny gorodona na ny tokotany, misy borosy, vondrona-drantsankazo, na bozaka nofehezina, na tsiraka voajanahary na sentetika. Matetika izy io dia manana taho lava miraikitra aminy, ahafahana mampiasa azy rehefa mitsangana.

Misy karazany ny kifafa, ao ny kifafa natokana ho an'ny famafana trano manokana ary ao koa ny kifafa somary matevina ny volony ho an'ny famafana tokotany

Kifafa
Morty Proxy This is a proxified and sanitized view of the page, visit original site.